Mpanazava sy Tily : Nisokatra ny taom- panabeazana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra, ny fanokafana  tamin’ny fomba ofisialy ny taom-panabeazana vaovao 2025 – 2026 ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM). Taom-panabeazana feno fanamby kokoa ho an’ny fikambanana noho ny zava-misy iainan’ny firenena malagasy ankehitriny. Lanonana ara-pomba skoto natrehin’ireo mpanabe mandrafitra ny ekipa eo anivon’ny sehatra nasionaly no sady nanolorana ny komity lehibe (rafitra mpitantana), FMT2S (rafitra mpanohana), ekipa nasionaly Mpanazava sy foibe Tily (rafitra mpanabe). Hiarahana mitondra am-bavaka ny firenena malagasy ny fanombohana izao sy miombona amin’ireo Malagasy very havana sy ireo maratra maro. Manentana ny rehetra hifikitra amin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana ny fikambanana. Maro ireo hetsika hampiavaka ity taom-panabeazana vaovao ity ho an’ny MEM. Anisan’izany ny famaranana ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Voronkely sy ny tsiambaratelony. Teo koa ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Sampana Mena, fifaninanana teknika ho an’ny Sampana maitso (Fandia mivela).
Tanjon’ireo hetsika ny hampiroborobo ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny tanindrazana ary ny fahaiza-manaon’ireo beazina sy tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Vonjy

Partager sur: