Asa any ivelany : Mila mailo amin’ny fisolokiana

Manoloana ny korontana lava miseho eto amin’ny firenena sy ny fahantrana lalina dia maro ireo tanora maniry ny hiala eto ary mitady asa any ivelany. Manoloana izany, betsaka ihany koa ireo orinasa mandefa mpiasa.
Mila mailo anefa fa manjaka ny mpisoloky sy ny mpanararaotra ka maka vola tsy ara-drariny ary manao fampanantenana tsy tanteraka akory.
Manantitrantitra ny toromarika ho an’ireo maniry ny hiasa any ivelany ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny fampanananasa amin’ireo dingana tsy maintsy lalovana alohan’ny handehanana hiasa any ivelany.
Voalohany amin’izany ny taratasy mirakitra ny tolotrasa, izay misy ny mari-pamantarana manokan’ny minisitera. Voaporofon’ny masoivohon’i Madagasikara ary misy fifanarahana arakasa mazava tsara. Mila mandalo amin’ny fanaovana enquête de moralité any amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Eo koa ny fanoratana anarana any amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny.
Fitaka ny filazana fa mandeha visa touristique aloha dia any ivelany no mikarakara ny taratasy hiasa ka mila mailo. Ny visa natao ho an’ny mpiasa ihany no hahafahana misitraka asa any ivelany.
Ao amin’ny varavarana faha 404 ao amin’ny minisiteran’ny Asa no hahafantarana ny mahakasika ny asa any ivelany izay azo antoka sy ara-dalàna ary ny dingana tokony hatao mahakasika izany.

Tatiana A

Partager sur: