Mikarakara fakan-kevitra ny ofisim-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arakasa mahakasika ny karazan’asa mahaliana ny tanora. Misy, araka izany, ny fanontaniana ilam-baliny hahafahan’ny tanora rehetra mandray anjara araka ny salan-taona avy hilazana ny nofinofiny amin’ny sehatry ny asa.
Nilaza ny CHUGob fa ireo marary mila fitsaboana tena maika ihany aloha no horaisina an-tanana nanomboka omaly. Tsy mbola ampy ny isan’ny mpiasa. Satria, tsy mbola miverina miasa ny internes sy ny internes qualifiants. Efa mandray ny asany kosa ireo paramedy taorian’ny fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitra.
Hanatanteraka varavarana misokatra ny hopitaly manara-penitra Morondava ny 22 ka hatramin’ny 24 oktobra izao. Karazana tolotra ara-pahasalamana no ho hita mandritra izany. Miasa hatrany ny mpiasan’ny fahasalamana ho fitsinjovana ny vahoaka.




