Manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny sehatrasa fivarotana ranomboankazo vita amin’ny fary. Maro amin’ireo tanora no hita mivarotra izany, indrindra eto Antananarivo. Mahavelona sady miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana kely.
Toerana maro ny ahitana mpivarotra izany, toy ny eny Anosibe, Analakely, Anosizato, Behoririka, Isotry sy ny maro hafa. Asa mora atao ny fanaovana azy io, satria tsy mitaky volabe ihany koa izy io. Amin’ny ankapobeny, tsy misy toerana raikitra fa mandehandeha izy ireo mivarotra.
Anisan’ny tanora iray mivarotra ranomboankazo vita amin’ny fary Ramahafantatra Eddy. Roa taona nivarotana izany eto Antananarivo ny tenany. Toerana nivarotany ny etsy Behoririka, Isotry, Petite Vitesse ary Analakely sy ny manodidina. Nolazainy fa tsy dia be vola ampiasaina loatra amin’ny fanaovana io sehatrasa io nefa mora ahazoana tombom-barotra. Amin’ny ankapobeny, ahazoana tombony mahatratra hatramin’ny 60 000 Ariary ny fanodinana fary 30 kg. Mbola ahazoana tombony bebe kokoa, noho izany, raha toa ka tsara ny masinina fanodinana ny vokatra. Mahalany fary 40 kg isan’andro izy. “Isaky ny alarobia, alatsinainy, sabotsy ary zoma no tena mandeha ny tsena satria amin’ireo no be olona sy be mpiantsena”, hoy hatrany izy. Mividy fary izy ireo ary manodina izany ho lasa ranom-boankazo avy eo. “Mankafy ny ranom-boankazo vita amin’ny fary afangaro amin’ny voasarimakirana aho satria ahitana vitamina betsaka izany”, hoy kosa Sedraniaina, mpanjifa iray nanontaniana.
Mahasalamana
Misy tombontsoa ara-pahasalamana sy ara-tsakafo maro azo amin’ny fisotroana jus fary. Loharano voajanahary misy angovo, manan-karena glucose sy fructose voajanahary, izay manome sy manamafy hery fiarovana haingana ho an’ny vatana. Mety ho an’ny olona miasa mafy, manao fanatanjahantena, na rera-dava. Manatsara ny fandevonan-kanina ihany koa ny fisotroana azy. Manadio ny tsinay sy manamaivana ny fivontosana ao anaty kibo ihany koa izany. Mampihena ny tahan’ny asidra ao anaty vatana. Etsy ankilany, manatsara ny hoditra sy ny volo ihany koa ny fisotroana azy io. Manampy amin’ny fanadiovana ny ra satria manan-karena antioxydants betsaka ny ranom-pary. Mety ho an’ny diabetika ihany koa satria ahitana siramamy natoraly, izay tsy mitovy amin’ny siramamy namboarina.
Azo ampiarahana amin’ny fangaro isan-karazany ny ranom-boankazo vita amin’ny fary. Anisan’izany ny voasarimakirana, ny sakamalaho, ireo izay tena hita eny amin’ny mpivarotra tsirairay. Manampy tsiro mangidy mamy sy manaitaitra ny ranom-boankazo mifangaro amin’ny voasarimakirana. Mampitombo ny vitamina C ary manadio ny vatana. Manome tsiro manafana sy masiaka kosa izy raha afangaro amin’ny sakamalaho. Manampy amin’ny fandevonan-kanina sy fisorohana ny sery. Mety tsara ho an’ny olona vizana sy manadio kibo. Azo afangaro amin’ny mananasy ihany koa izy io. Ahitana otrikaina fibres sy vitamina C izany. Manampy amin’ny fandevonan-kanina. Ankoatra izay, azo afangaro amin’ny ranona voanio ihany koa. Mety amin’ny fanadiovana ra sy fanafody ara-boajanahary.

500 Ariary ny iray vera
Zava-pisotro mora vidy ny ranom-boankazo vita amin’ny fary. Manodidina ny 500 Ariary ny iray vera eny amin’ny mpivarotra. Mahatratra 4 000 Ariary ny iray litatra ary 2 000 Ariary ny tapany. “Be mpanjifa kokoa ny mandeha amin’ny vera satria ireo olona andeha hiasa na avy niasa na ireo mpianatra no tena manjifa izany”, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra iray nanontaniana. Tia mihinana zavatra natoraly ny antony mahatonga ny olona manjifa ity ranom-boankazo ity. Misy ireo olona manjifa sy mihinana izany isan’andro. “Ho ahy manokana, mividy jus fary iray litatra aho ary ataoko rano fisotro mihitsy izany”, hoy ny mpanjifa nanontaniana. Anatin’izany, ny hitsinjovana ny fahasalamana satria mahasolo fanafody any amin’ny dokotera sady mahasolo rano fisotro izy io.
“Mahasalama ny fisotroana azy, anisan’ny manadio ra sy manasitrana karazana aretina hafa any anaty fisotroana azy io”, hoy i Malala, mpanjifa iray hafa nanontaniana. Nambarany fa siramamy natoraly ary tsy ahitana artifisialy ao anatiny.
Be mpitia kokoa ny fary fotsy
Ahitana karazany roa ny fary. Eo ny fary manga sy ny fary fotsy. Somary menamena ny lokon’ny fary manga amin’ny ankapobeny. Miloko mavo fotsy kosa ny fary fotsy. Be mpitia kokoa ny fary fotsy mihoatra amin’ny fary manga satria mamy izany, raha ny fanazavan’ny mpivarotra hatrany. Ankoatra izay, betsaka ihany koa ny manjifa ny ranom-boankazo vita amin’ny fary izay ampiarahana amin’ny voasarimakirana na sakamalaho. Somary miova kokoa ny tsirony raha miaraka aminy voasarimakirana na sakamalaho izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tia misotro izany ny olona rehefa te hanala ireo karazana aretina mety mahazo andavanandro. Toy ny sery, kohaka, aretin’andoha, gripa, aretin-tenda sy ny maro hafa.
Nanatontosa : Mino




