Voalaza fa diso adiresy ny mpanafika enin-dahy teny Antsahamasina, Ambohidrapeto. Nandroba sy nandratra ny tompon-trano lasibatra ihany anefa ry zalahy, afakomaly alina.
Nanafika tokantrano iray tetsy Antsahamasina, Ambohidrapeto, ny alin’ ny alarobia teo, ny jiolahy miisa enina. Voatifitra teo amin’ ny feny ny lehilahy iray tao an-trano. Voaroba ny vola 500 000 Ariary. Niditra ankeriny tao an-trano ny andian’olon-dratsy nirongo fitaovam-piadiana sady nisaron-tava. Nanambara izy ireo fa mitady olona mpivarotra vary eny amin’ny tsenan’Anosibe. Nilaza anefa ny tompon-trano voatafika fa tsy misy izany mipetraka ao amin’izy ireo.
Tsy nahafapo ny mpanafika ny valinteny, niezaka nitaky ny vola rehetra tao an-trano ihany izy ireo. Nentin-katezerana ka nitifitra. Naratra ny lehilahy iray 26 taona tao amin’ilay tokantrano. Voan’ny bala ny feny havanana. Nofaohan-dry zalahy ny vola tao anaty vata fitehirizana. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay naratra.
Fifampitifirana
Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika ny tranga ny polisy avy ao amin’ ny sampana vonjy taitra eo anivon’ny CSP Itaosy. Tsy niandry ela, nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanenjehana vantany vao naharay antso. Teny an-toerana koa ny avy amin’ny zandary. Mbola tratra tsy lavitra ny trano notafihiny ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana. Nitifitra izy ireo vao nahatazana ireto manam-pahefana. Raikitra ny tari-dositra tao anaty haizina.
Namaly tifitra ny polisy sy zandary, taorian’izay. Raikitra ny fifanjevoana. Na teo aza ny ezaky ny mpitandro filaminana, tafatsoaka ireo olon-dratsy nanafika. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Nahitana fahasimbana vokatry ny tifitra nataon’ ireo jiolahy ny fiaran’ny mpitandro filaminana.
Mino





