Anisan’ny mpikatroka hifanandrina mandritra ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hotanterahina ny 23 novambra izao, any Toamasina, i Tiavina avy amin’ny Gasy Pro sy i Tsididy, avy amin’ny Le Roi Tiger’s. Hiady ny amboara eo amin’ny sokajy latsaky ny 54 kg Junior izy roa lahy ireo, amin’ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa efa andiany faha-3 ity fifaninanana ity ary mbola hisy andiany farany, amin’ity taona ity, ny volana desambra izao.
Eto Antananarivo no hanatanterahana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy “2 éme division”, taranja Volley-ball, fa tsy any Fianarantsoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball. Tsiahivina fa ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao no hanaovana ity fifaninanana ity izay hifanindry an-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy.
Hifarana anio 15 oktobra ilay fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, taranja basikety, ho an’ny sokajy vehivavy. Fiofanana natao tany Le Caire, Egypte nandraisan’ny solontena malagasy anjara ny mpilalao, Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina, avy amin’ny klioban’ny New Academic’s Sport, miaraka amin’ny mpanazatra malagasy, Ravonimboangy Eléonore. Hanomboka ny 19 oktobra izao ny an’ny sokajy lehilahy, ka hanana solontena amin’izany ihany koa i Madagasikara.




