Notsenain’ireo miaramila avy eo anivon’ny Capsat teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Kly Charles Andrianasoavina, omaly. Nanao sesitany
ny tenany tao amin’ny Nosy La Réunion ity Malagasy manamboninahitra ity taorian’ny sakoroka ny taona 2009.
Lehilahy tomponandraikitra amina kioska karohin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Nentin’io lehilahy io nandositra ny lelavola 80 000 000 fmg tao Toamasina. Tsy naharenesam-baovao intsony izy taorian’io.
Nametraka fitoriana nanoloana ny herisetra nihatra taminy sy ny fihetsika tsy voahevitra nataon’ny zandarimaria teny an-kianja, ny solombavambahoaka an’Arivonimamo, omaly. « Nametraka fitoriana ny tenako satria tsy rariny sy tsy ara-dalàna ireny”, hoy izy.
Nanome baiko ho an’ny polisim-pirenena ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police Randriambelo Mandimbin’ny Aina, omaly.
« Polisy miova, Polisy miray hina sy mifankatia, Polisy mandray andraikitra ary Polisy tomponandraikitra amin’ ny sehatra rehetra misy azy » hoy izy.




