Misy rivodoza mananontanona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Andalam-piforonana izany ary manome vahana ny fitombony ny hafanan’ny ranomasina. Tsy mbola misy fiantraikany amin’i Madagasikara ny faritra andro ratsy. Hitondra ny anarana Anais ity rivodoza ity rehefa mahafeno ny fepetra rehetra.
Manohana ara-tsaina ireo mpamonjy voina ny Croix Rouge Malagasy. Fifanakalozan-kevitra an-kalalahana mba ho hetsika fanalefahana ny adin-tsaina aorian’ny asa eny an-kianja no omena ireo mpamonjy voina. Tafiditra ao anatin’ny fikolokoloana ny maha olona ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina.
Komitin’ny Dina miisa 60 avy amin’ny fokontany 15, ao amin’ny kaominina Ambondromamy sy Tsaramasoandro no nandray fiofanana momba ny dinan’ny Boeny Miray Dia. Tanjona ny hampiorina ny fandriampahalemana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo vondrom-piarahamonina samihafa.




