TSELATRA

Nitrangana haintrano indray tany Andranomena, Fandriana, omaly tolakandro. Noho ny herin’ny fitsokan’ny rivotra, niitatra haingana ny afo. Vokany, may kilan’ny afo ary tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. Raha ny fanazavana voaray, avy amin’ny fako nodorana izay nentin-drivotra ny niaingan’ny firehetana. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’io tranga io.

Nahitana fatin-jazakely iray teny amin’ny ranon’Ikopa, Ankeniheny Tanjombato, omaly maraina. Mpanasa lamba teny an-toerana no nahita ny vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano ary nampiakatra izany teny an-tanety. Nofonosin’ireo vaomiera lamba ny razana ary nalevin’izy ireo teo amoron-drano ihany. Tsy fantatra ny ray aman-dreny nahavanon-doza tamin’izao fanariana sy famonoan-janaka izao.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny fokontany Antanetibe, kaominin’i Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly maraina. Fiarabe mpitatitr’entana no nivadika tany an-toerana. Mpandeha miisa fito tao anatiny namoy ny ainy voatsindrin’ireo entana tao anaty fiara. Mbola misy ireo olona naratra mafy.

Partager sur: