Mbola misy ireo sekoly matahotra mamerina an-dakilasy ny mpianatra ao aminy. Mbola tsy tena mahatsiaro fitoniana tanteraka ny sekoly sasany ka manana fanahiana ny amin’ny ain’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ireo sekoly manodidina an’Analakely sy Behoririka no mbola mahatsiaro izany.
Tsy mbola mahazo antoka tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena, miteraka fisalasalana. Eo koa ireo sekolim-panjakana sasany nanao fanambarana ny hampiato ny fampianarana no tsy mbola niverina nampianatra noho ny fitakian’izy ireo izay tsy mbola misy tompon’andraikitra mamaha azy.
Mampiasa ny teknolojia moderina kosa ireo sekoly sasany amin’ny fizarana lesona sy ny fanazarana ireo mpianatra any an-trano. Manangana vondrona iraisan’ny mpianatra amin’ny tambajotra sosialy ary ao no hatao ny fifampizarana.
Etsy andaniny, ny ray aman-dreny manahy ny fianaran-janany izay voakorontana sy tapatapaka matetika noho ny krizy. Ny vokatr’izany amin’ny hoavin’ny zanany sy ny fomba hanenjehana ny fahabangana rehetra ary izay mety mbola ho fanovana any aoriana ihany koa.
Tatiana A




