Ankoay 3×3 – Africa Cup : Nanomboka ny fampivondronana

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa malagasy Ankoay 3×3, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao ny 4 hatramin’ny 7 desambra izao, eto Madagasikara. Nanomboka omaly ny fampivondronana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Eny amin’ny Petit Palais Mahamasina no hiatrika izay fampivondronana izay ireo mpilalao ary manatanteraka fanazaran-tena isan’andro, araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly FMBB, Razafiarivony Solofohery Angelot. Hatreto, tsy mbola nisy ny lisitra ofisialy avy amin’ny kaomisionina teknika fa izay tratra antso teto Antananarivo ihany ireo manaraka fampivondronana ireo. Mbola hisy ny mpilalao hafa avy any amin’ny faritra ho avy, raha ny fanazavana hatrany. Vehivavy mpilalao miisa 12 sy lehilahy 12 isa no tokony hiatrika ity fampivondronana ity, saingy mbola tsy feno izy ireo. Anisan’ny ao anatin’ireo hotsongaina andrafitra ny ekipam-pirenena ihany koa i Muriel sy i Christiane, saingy efa mpilaravinahitra izy ireo, satria efa mpilalaon’ny Tamponnaise Renioney, raha ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly hatrany. Manoman-tena mafy ny Ankoay ary vonona hitazona ny anaram-boninahitra izay norombahina tamin’ny taona 2024.

Mi.Raz

Partager sur: