Baolina kitra any Allemagne : Miverina anatin’ny heriny i Bolo

Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Ma­lagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Alle­magne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Grünauer BC, fifandonana izay tafiditra amin’ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny amboaran’i Berlin. Nahatafiditra baolina iray sy nahavita tolotra tokana tsara izy tamin’ity fifanandrinana ity, ka nandresy 6 no ho 1 ny klioba misy azy. « Efa ela aho izay tsy nizara vaovao… Tsy hoe nanjavona aho, fa niasa mangina tany ambadika, tsy dia nanam-potoana hilalaovana. Fa rehefa omena fotoana aho, dia manome 100 % foana!», hoy i Bolo. Ho an’i Bolo, tsy ny fotoana lany eny an-kianja no tena zava-dehibe, fa ny finiavana sy ny fahavononana hanararaotra ny fe-potoana hampisehoana ny fahaizana rehetra.
Ny alahady ho avy izao, hifandona amin’ny Dynamo, Berlin, ny klioba misy an-dry Bolo. Tsy miova ny tanjona, hoy izy, dia ny hitady vokatra tsara ho an’ny ekipa hilalaovana. Mpilalao manana fahavononana sy mikiry ny hitady vokatra tsara tahaka an’i Kanto Fitiavana Voahari­niai­na, hita ho banga ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy Barea.

Fitia Randria

Partager sur: