Vita izay ny fianianana, vita ny fandraisana fahefana ho an’ny filoham-panjakana. Tonga marobe nanotrona izany rahateo ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Midika izany fa miala any ny fankatoavana iraisam-pirenena. Ny fikambanana iraisam-pirenena rahateo efa nanambara ny faniriany raha mba governemanta ho entin’ny sivily no mitondra.
Fiaingana vaovao manomboka izao. Tsy fotoan’ny andranandrana sy kitsapatsapa fa efa nahazo lesona tamin’ny teo aloha. Vanim-potoana hitakina fahamatorana, indrindra indrindra amin’ny fahaizana misafidy ny olona azo iaraha-miasa. Tsy sanatrian’ny vava ho kitranoantrano tahaka ny nahazatra. Ohatra nampiteny ny moana ny fahamaroan’ireo nomena fanasana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Ny efitrano tery dia tery fa ny olona nifanitsa-kitro hatreny an-tokotany.
Ekena fa taratry ny mahamamy hoditra an’ilay Filoha ny fanotronana tahaka ireny, kanefa koa efa kisary ratsy sahady amin’ny fikarakaran-javatra. Atao hoe, vao miana-mamindra tokoa angaha? Ilaina anefa ny manao sivana ny zava-drehetra. Tsy maintsy hirosoana ny fanadiovana na arak’olona na ara-pomba fiasa. Ity farany anefa matetika no hananan-tsiny.
Soa ihany! Nijoro ny tanora, nitady ny fomba hoenti-mihoitra sy manohitra ny tsy fanjarizariana misy eto amin’ny tanàna. Asa raha ho sahy ny olon-drehetra? Fa mila hatrany ifotony ny famongorana izay tsy manjarizary. Rehefa tsy izay fa ny teo ihany no ho teo, dia miomana fa very maina ny sorona nataon’ny tia tanindrazana.
Zavatra tsotra ny tiana hahatongavana, aza mamerina intsony ny lesoka. Tandremo ny hoditra akondro. Alaviro ny mpanasoaso sy ny mpanao hosana hosana. Meteza ny mandray torohevitra sy tsikera, indrindra fa avy amin’iny tsy mitovy hevitra.
r.r




