Andrasana fatratra ny fikaonandoham-pirenena amin’izao? Ho amin’ny fanovana na fanavoazana… Na izany aza, ny itsitokotokoan’ny loha, hono, samy manana ny heviny. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ary izay lava dinika no lava rariny. Aleo ny hevitra no ampiadiana hilaminana? Araka ilay fiteny hoe: ny hevitra no miady fa tsy ny olona. Aiza ho aiza? Na mba tena zaka ny fihainoana ny hevitry hafa: tsy voatery ho marina, ekena, tanterahina… Adihevitra izay. Hatraiza koa ny fitadiavana marimaritra iraisana amin’izay marina, mety, mahasoa…Tsy voatery ho ny hevitry ny tena; eny, na hoe maharesy lahatra aza, ela no niketrehana azy… Ilaina ny fahazakana ny hevitry ny hafa, raha tiana ny hahita marimaritra iraisana.
Amin’izany, izay mampiombona sy iombonana no omen-danja, fa tsy izay mampisaraka na tsy mampitovy hevitra. Inona moa, ohatra, no mampiombona sy iombonana amin’izao hoe fanovana sy fanavaozana izao, fa tsy tanindrazana iraisana sy ny taranaka hoavy? Amin’izay hampandroso sy hampiadana azy… Eny sambatra tokoa, araka ny hiram-pirenena. Resy lahatra sy miaina izany ve ireo mpanao politika miady fo amin’izay fomba hanatanterahina ny fikaonandoham-pirenena? Na toy ny mahazatra hatramin’izay ihany… Ady an-toerana sy ady tombontsoa noho ny fitiavan-tena, hafetsifetsena, fifaminganana noho ny fahalianana hahazo fahefana…
Amin’ny tena no atomboka ny fanovana sy fanavaozana. Aiza ho aiza ny mpanao politika? Efa misy dodona amin’ny fifidianana, mitompo teny fantatra na mitompo tena fatratra amin’izay kendreny sy ataony; eny, na tsy hita akory aza izay inona aminy akory. Ny vahoaka no mila malina fa efa lasa ny zavatra taloha. Na efa tsy lasa fa tsy nahazoan’ny vahoaka tombontsoa ny zavatra taloha…
R. Nd.




