Nitrangana haintrano tany amin’ny fokontany Mangily, Toliara II, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nitsoaka mafy ny rivotra ary niitatra haingana be ny afo. Vokany, olona efatra niara-namoy ny ainy. Nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo. Ankoatra izay, trano 10 mahery ihany koa no rava sy kilan’ny afo tanteraka.
Lehilahy iray 38 taona tratra nangalatra tafom-piangonana tany amin’ny FJKM Ambatavarakely, Maintirano, afakomaly. Nifanehitra tamin’ny Hery vonjy taitran’ ny Polisim-pirenena ao Melaky nanao fisafoana izy. Nosamborina ary nentina eny anivon’ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana. Efa niharan’ny halatra matetika io fiangonana io, raha ny fanazavana voaray.
Hetsika an-dalambe ny 25 septambra lasa teo. Mitaky ny hamoahana ireo tanora nendrikendrehina ho nandroba ka naiditra vonjimaika am-ponja ireo fianakavian’ireo ankizy sy tanora ireo. Anisan’izany, i Mario, 19 taona, mpianatra kilasy famaranana ao amin’ny Lycée Andohalo. Nirahina hividy fanafody ho an’ny bebeny narary mafy, ary nosamborin’ny polisy teny Tsaralalàna, ny 25 septambra teo, satria nambara fa mpandroba.
Namoahan’ny fitsarana didy hampidirana vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny vehivavy (28 taona), mpikarakara zaridaina. Voarohirohy tamin’ny famonoana nahafaty ny renim-pianakaviana sady Cheftaine teny Ampivelezandrano, Vontovorona, ny alin’ny 8 oktobra lasa teo izy. Naverina notazomina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Vontovorona ny tenany noho ny fitokonan’ny mpiasan’ny fonja.




