Refin’ny hanoanana taona 2025 : Laharana faha-120 maneran-tany i Madagasikara

Mampanahy ny zava-misy rehefa zohina ny refin’ny hanoanana eto amintsika ho an’ity taona ity. Ilaina ny fanaovana ezaka goavana, indrindra ny fahavononana politika.

Laharana faha-120 i Mada­gasikara, amin’ny fire­nena 136 nohadihadiana amin’ny refin’ny hanoanana. 42,0 izany ny taona 2000. Na­hatratra 36,6 (taona 2008), 35,0 (taona 2016) ary 35,8 ny refy amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra faha-20 momba ny refin’ny hanoanana maneran-tany (GHI). Tena mampanahy ny refin’ny hanoanana amin’ny firenena fito, Burundi, Congo (RDC), Haiti, Somalie, Soudan du Sud et Yemen ary i Madagasikara, satria eo anelanelan’ny 35,0 hatramin’ny 49,9 ny refy ho an’ireo firenena fito ireo. Taha efatra no kajian’ny teknisianina ka manome ny refin’ny hanoanana ho an’ny firenena iray. Voalohany ny tahan’ny mponina tsy ampy sakafo, ny tahan’ny zaza la­tsaky ny 5 taona tsy ampy lanja raha mitaha amin’ny halavany (miseho amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika), ny taham-pahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona ary ny fahataran’ny fitomboana eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona (miseho amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka). Firenena 42 no hisehoan’ny refy mampanahy taorian’ny fanadihadiana.
Tsapa fa nitsahatra ny ezaka natao ka ho sarotra ny hanafoana ny hanoanana, araka ny tanjona napetraka ao amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ODD 2 (Faim zero).
Anisan’ny antony nitarika ny tsy fivoaran’ny refy ny ady miseho, faharefoan’ny toekarena maneran-tany ary nanampy trotraka ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny tsy fisian’ny fahavononana eo amin’ny mpitondra fanjakana isanisany.
Tsy hahatratra ny tanjona hanafoanana ny hanoanana ny firenena 56 ary tombanana fa ny taona 2037 vao mety ho tratra izany.
Tolo-kevitra naroson’ny teknisianina ho an’ny firenena rehetra ny hampiroboroboana ny fambolena afaka hisedra ny fiovan’ ny toetr’andro. Zava-dehibe koa ny fametrahan’ny fitondrana politika manao laharam-pahamehana ny sehatra eny ifotony.

Vonjy

Partager sur: