SOMBIM-BAOVAO

Fifaninanana roa lehibe no mbola miandry ny Judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70 kg, amin’izao famaranana ny taona 2025 izao. Handray anjara amin’ny « Grand Chelem » hatao any Abu Dhabi, i Laura, ny 27 hatramin’ny 29 novambra izao, izay fandraisana anjara voalohany ho azy. Aorian’izay, hihazo an’i Tokyo izy, ny 6 sy 7 desambra hiatrika ny “Grand Slam de Tokyo, izay fandraisana anjara faharoa ho azy.

Raveloarison Eymeric, mpilalaon’ny MB2All Analamanga sy Ranarison Joda, mpilalaon’ny FFPro Antsirabe no solontena malagasy eo amin’ny sokajy lehilahy, hiatrika ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, hatao any Le Caire, Egypte, ny 19 hatramin’ny 22 oktobra izao. Anio no hanainga eto an-tanindrazana ireo delegasionina malagasy mirahalahy ireo, raha ny angom-baovao azo avy amin’ny federasionina.

Hisy ny fiovana kely amin’ny fandaharam-potoana amin’ny lalao manasa-dalana sy famaranana ho an’ny sokajy latsaky ny 12 taona sy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, amin’ny fiadiana ny tompondakan’ ny seksionina ny Basikety Antananarivo Renivohitra. Hisy mantsy ny lalao hatao ny sabotsy raha toa ka ny alahady ihany no efa daty napetraka. Noho ny hamaroan’ny lalao no anton’izao fanapahan-kevitra izao, raha ny fanazavana.

Partager sur: