Handball – CCOI 2025 : Nahemotra amin’ny manaraka ny fifaninanana

Nandefa taratasy ho an’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AH­BOI), nivory ny 12 oktobra lasa teo, fa hahemotra amin’ ny fotoana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCOI 2025). Fihaonana to­kony hotanterahina any Toa­masina, ny 15 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao. Noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena ny an­ton’izany. Tsy miova kosa fa mijanona ho Madagasikara hatrany ny hampiantrano izany, raha vao milamina ny firenena.
Mandra-piandry izany, ho­ton­tosaina any Toamasina ihany koa, ny 30 oktobra ka hatramin’ny 9 novambra 2025, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hanana ny lanjany le­hibe izany satria ankoatra ny fiadiana ny maha tompon­daka, hiadiana ihany koa ny tapakila hiatrehana ny “CCOI 2025” izy io. Hisolo tena an’i Mada­gasikara amin’izany ireo ekipa roa voalohany miatrika ny famaranana. Hatreto, ligim-paritra miisa 12 amin’ny 17 no efa nisoratra anarana handray anjara amin’izany dia Diana, So­fia, Boeny, Atsinanana, Ana­lanjirofo,  Analamanga, Itasy, Bongolava, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe ary Ihorombe. An­koatra izay, fantatra fa hatao amin’ny volana janoary 2026 ny fivoriambe hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny handball.

Tompondaka

Partager sur: