Baolina kitra: Mifanenjana ny K2HB sy ny mpanohana ny federasionina

Misavorovoro sy misamboaravoara amin’izao fotoana izao ny tontolon’ny baolina kitra. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny federasionina sy ireo mpilalao fahiny ary ireo mpitantana mivondrona ao anatin’ny komity hanarina ny hasin’ny baolina kitra malagasy (K2HB). Ity farany, izay mitaky ny fametraham-pialana faobe ho an’ny FMF.

Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna ka sady hitan’ny maso no ren’ny sofina, ny tsy fifankazahoana ao anatin’ny ta­ranja baolina kitra amin’izao fotoana izao. Mifampitana mivantana amin’izao fotoana izao, ireo klioba sasany miampy ny mpitantana sy mpanazatra, tsy manaiky fanakorontanana sy ny komity hanarina ny hasin’ny baolina kitra mala­gasy (K2HB), mahita ny fita­vozavozan’ny mpitantana eo anivon’ny federasionina, ankehitriny.
Ny sabotsy lasa teo, niseho sehatra avokoa ny roa tonta. Samy nanana ny kianja nanehoany ny heviny ny andaniny sy ny ankilany. Ny K2HB, teny an-dalambe no naneho izany ka nisafidy ny toerana mala­laka teo anoloan’ny vavahadiben’i Mahamasina. Teo izy ireo no niantso ireo mpisehatra rehetra mahatsapa fa marary ny baolina kitra malagasy. Ni­lanja sorabaventy, ary namatrapatratra sy namotsipotsitra ny vay maharary ity taranja mankarary ny Malagasy ity. Heno tamin’izany, ny filazana fa anjakan’ny tsy tiako bika tsy tiako tarehy ny ekipam-pire­nena ka ny zanaky ny mpitantana sy ny naman’izy ireo ihany no tafiditra mandrafitra ny Barea de Madagascar. Ny fibaikoana mpitsara ataon’ny mpitantana ny federasionina amin’ny lalaon’ny Pureplay football league (PFL) sy ny fanaovana ramatahora ho an’ireo izay tsy mitovy hevitra amin’ny federasionina, ary ny tsy fanomezana lanja ny ta­nora raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Notronin’ireo mpilalao fahiny sy mpanazatra ary filohana klioba izy ireo. Feo niraisan’izy rehetra ny hametra­han’ny mpikambana rehetra ao amin’ny federasionina fia­lana miaraka amin’ireo filo­han’ny ligy manerana an’i Madagasikara, tsy misy hatakandro.

Fanakorontanana tsy ekena

Tetsy amin’ny toeram-pisakafoanana iray tetsy Andrefan’ Ambohijanahary kosa no ni­vory lanona ireo tsy manka­sitraka ny fanakorontanana ataon’ny K2HB sy ny namany. Nandefa solontena tamin’izany avokoa na ireo mpanazatra avy any amin’ny ligim-paritra ivelan’Antananarivo, ny mpanazatra vehivavy, ny sekolin’ny baolina kitra, ny mpanazatra ny ekipa ao amin’ny PFL, ny mpilalao zandriny sy ny mpitantana klioba. «Efa hita ny vokatra azon’ny Barea, ary mi­voatra ny baolina kitra amin’ izao fotoana izao ka tsy tokony ho korontanina intsony», hoy i Raniry, mpanazatra ny AS Fanalamanga.
Notsiahivin’ireo rehetra niteny fa raha sanatria ka mikorontana indray ny baolina kitra malagasy dia mety hiharan’ny sazy iraisam-pirenena avy amin’ny Fifa, toy izay efa nitranga tamin’ny taona 2018. Tsy mendrika fanasaziana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena intsony ny baolina kitra malagasy izay efa misandratra. Raha misy olana, andao hiresaka sy hifanakalo hevitra raha ny filazan’izy ireo. Tsy misy afa-tsy ny fifampidinihina ihany ny hany vahaolana fa tsy fanakorontanana araka ny filazan’ireo nandaha-teny, tao Andrefan’Ambohijanahary.
Tsy misy sazy izany, hoy ny K2HB

Manoloana ny fangatahan’ ireo solontenan’ny mpilalao sy mpanazatra hidinika sy hifanakalo hevitra, nanambara Ran­drianirina Jean Ignace (Ramasy), filohan’ny K2HB fa tsy fotoanan’izany intsony izao. «Ha­tra­­min’izay, niantso donakafom-pirenena izahay tsy na­maly ianareo ka izao vao mitady izany. Efa tara loatra ny fanapahan-kevitrareo. Tsy miova ny fitakianay dia ny hame­trahan’ny federasionina iray manontolo miaraka amin’ireo ligy rehetra, fialana mitam­batra. Tsy hahazoana sazy ny fanaovana izany», hoy izy.
Fanadihadiana notontosain’i Tompondaka

Partager sur: