Tenisy ambony latabatra : Tafita hiatrika ny « Mondial » any Londres ny Malagasy

Niasa mangina ary niezaka nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo Malagasy mpilalao ping pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Tunis. Anisan’ireo mankany Londres izy ireo, ary miatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena, ny taona 2026.

“Mitohy ny sidina” ! Ta­fakatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Londres, Angleterre, ny taona 2026, amin’ny taranja tenisy ambony lata­batra, “Ping pong”, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo an’io tapakila io ny Malagasy mpilalao rehefa tafita teo amin’ ny ampahefa-dalan’ny lalao isan-tarikan’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, izay no­tontosaina tany Tunis, Tunisie, ny 12 – 19 oktobra lasa teo.
Araka ny fanazavana azo, manana solontena valo ny aty amin’ny faritr’i Afrika, amin’io fifanintsanana isan-tarika io, ka anatin’izany ny Malagasy. Raha ny fikarohana natao, na­hintsan’i Algerie tamin’ny isa 3 no ho 0, teo amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny solon­tenan’ny Malagasy vehivavy, izay ahitana an-dry Prevot Edena, sy Raha­rimanana Hanitra Karen ary Randria­narisoa Niantsa. Teo amin’io dingana io ihany koa, raraka ny lehilahy malagasy mpilalao, rehefa resin’i Maroc, 3 no ho 0. Izy ireo izay ahitana an-dry Rako­toarimanana Fabio sy Razafinarivo Antoine ary Rakotoarisoa Setra.
Marihina fa nandray anjara tamin’ny lalaon’ny tsirairay ihany koa ny Malagasy, saingy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana i Karen ary tany amin’ny manasa-dalana vao lavo i Fabio. Azo lazaina fa tsara ny vokatra ary izao ihany dia tokony hio­mana sy hikarakara amin’ny fampandehanana azy ireo amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity ny Federasionina, mba hia­lana ilay resaka hoe : “Sahirana noho tsy fahampian’ ny enti-manana…”. Hinoana sy hantenaina fa handray an-tanana an’ izao vokatra tsara izao ny eo anivon’ny Fanjakana.

Fitia Randria

Partager sur: