Fankasitrahana ny Chan 2024: Nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea

Nambaran’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, (FMF), Randria­manampisoa Alfred, ny afakomaly teo, tetsy Anosy, fa na­hena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea, tamin’ny Chan. Raha ny fanazavany, nahenan’ny Caf ilay vola 1,2 tapitrisa dolara noho ny resaka “droit TV” sy ny volan’ ny hotely fampiantranoina ny Barea.
“Notsiahiviny fa samy na­hazo vola mitovy izay miten­tina, 61,8 tapitrisa ariary avy ireo mpilalao 29 sy ny “staff” rehetra tamin’ny Barea Chan”, hoy Randriamanampisoa Alfred. Raha ny filazany ihany, efa nankasitraka ny federa­sionina tamin’io fomba fiza­rana io ny teo anivon’ny Caf, ary azon’ny mpanao gazety hamarinina izany. “Izahay eo anivon’ny federasionina, miezaka tsy maka amin’io vola io, fa ny hanome azy ireo aza, tena hataonay”, hoy ihany Randriamanam­pisoa Alfred, filohan’ny FMF.
Etsy ankilany, ireo mpilalao Barea teo aloha toa an-dry Nomenjanahary Lalaina na i Bolida, dia nilaza fa tsy mbola nisy ny tranga toy izao. “Mbola tsy naheno an’izany indray aho ! Hafa indray ity, indray mitoraka ity na tamin’ny Can izay nataoko ary mbola tsy naheno an’izany aho. Sa hafa ve ny Can sy ny Chan ? Ta­min’ny Chan farany teo koa tsy nisy an’izany sa diso ve aho?”, hoy i Lalaina Nomenjanahary, na i Bolida, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera Face­book.

Fitia Randria

Partager sur: