Rivodoza Chenge: Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara

Tsy ho marin-toerana ny habaka any amin’ny afovoan-tany sy ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy, araka ny tomban’ny toetry ny andro eto amintsika hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara ihany koa i Chenge raha ny vinavina lavitra.

Nitombo hery ka lasa rivodoza ilay faritra andro ratsy mivoatra ao amin’ny ranomasimbe Indiana ary nomena ny anarana hoe “Chenge” izy omaly tamin’ny 3 ora maraina. “Tempête tropicale moderée”, araka izany, ny sokajy misy azy ankehitriny. Manodidina ny 75 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy. Arahina tafiotra mahatratra 105 km isan’ora. Niki­saka niakandrefana izy tato anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 16 km isan‘ora. Omaly tamin’ny 9 ora maraina, tany amin’ny manodidina ny 2319 km Atsinanana somary avaratra Atsinanan’i Antsi­ranana no nisy ny foibeny. Araka ny singa voaray omaly maraina, mihatsara ny tontolo ivoarany ka mampahazo hery ireo rahom-baratra miaraka aminy.
Hanohy ny diany hiakandrefana, somary atsimo andrefana ity rivodoza ity, ato anatin’ny dimy efatra andro manaraka. Tomombana amin’ny ankapobeny ny firafitry ny habaka ka vinavinaina ho voatozona ny tanjaka “tempête tropicale moderée”, mandritra ny telo na efatra andro manaraka. Hihena miandalana kosa ny heriny aorian’izay satria hikorontana ny tontolo hivoarany.
Tsy hisy fiantraikany amin’ ny toetry ny andro eto Ma­dagasikara ny fisiany ato anatin’ny dimy andro ho avy. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara ihany koa i Chenge raha ny vinavina lavitra. Ho arahi-maso akaiky ny mety ho tohin’izay. Tsy misy ny filazana loza mahakasika ity rivodoza Chenge ity. Na izany aza, entanina ny mponina amin’ny faritra Diana sy Sava, indrindra ireo mpanjono an-dranomasina hanaraka ny vaovaon’ny toetry ny andro manomboka anio.
Araho mandrakariva ny toro-marika mahakasika ny fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy ny rivodoza omeny manam-pahefana isan-tokony.

Vonjy

Partager sur: