Hopitaly iray anisan’ny goavana sahanin’ny finoana katolika ny clinique Ave Maria Antsirabe. 90 taona nikarakarana ny lafiny fahasalamana ho an’ny vahoaka maro ity tobim-pahasalamana ity, ankehitriny. Nisy ny fankalazana izany taon-jobily izany. Maro ny tolotra ara-pahasalamana omen’ny hopitaly Ave Maria ary efa manana hatramin’ny fanaovana fitarafana avo lenta “scanner” izy, amin’izao fotoana izao, noho ny fiaraha-miasa misy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, araka ny vaovao nampitaina.
Amin’ny maha hopitalim-pinoana azy, misy ihany koa ny fijerena manokana ny “cas social” ahitana ireo olona marefo, araka ny nambaran’ny mpitantana ny farmasia.
Nankalaza ny faha-90 taonany ny Clinique Ave Maria, ny herinandro lasa teo, tao Antsirabe. Sorona Masina notarihin’ny Eveka ao Antsirabe, Monseigneur Andriantsoavina Jean Pascal no nanombohana ny fotoana. Narahina lanonana sy kabary samihafa nandraisan’ny manam-pahefana isan-tsokajiny anjara.
Vonjy




