Mitohy ny ezaka ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony ho fiantohana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ireo zokiolona. Nanatanteraka fizaham-pahasalamana ho azy ireo ny tao amin’ny distrikan’Andilamena. Maro ireo zokiolona tonga nisitraka fanarahana ny fahasalamany ho fisorohana. Mitohy ny fandraisan’andraikitr’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny zokiolona any amin’ny faritra tsirairay.
Tokony hanao fitarafana ny nono mammographie avokoa ny vehivavy rehetra eo anelanelan’ny 45-60 taona hitiliana mialoha ny homamiadan’ny nono. Isaky ny roa taona no haverina ny fitarafana. Afaka manatona mpitsabo kosa ireo latsaky ny 45 taona maka ordonnance raha maniry ny hanao ny mammographie.
Hiverina amin’ny laoniny tanteraka manomboka anio ny fizotry ny fampianarana eny amin’ny sekoly rehetra indrindra ireo nampiato amin’ny ampahany ny asa ny tapak’andro hariva noho ny fisian’ny hetsika fitakiana teto an-dRenivohitra. Mametraka lamina amin’ny famenoana ny ora banga koa ny mpanabe.




