Manazava ny karazana vola aloa eny amin’ny Apipa rehefa hanao fanotorana tany ny tomponandraikitra. Eny amin’ny Apipa no hanefana ny vola fanefan-tsazy sy ny saran’ny fanomezan-dalana.
Misy ny vola sy lamandy aloa ary manana fahefana ara-dalàna haka izany mialoha ny fahazoan-dalana hanototra ny Apipa. Manana fahefana hampihatra sazy ara-bola ihany koa ho an’ireo olona na orinasa mandika ny didy aman-dalàna amin’ny fanotorana ao anatin’ny lemak’Antananarivo io antokon-draharaha io.
Fidiram-bola manokana ampiasaina mivantana amin’ny asa fototra izany vola aloa izany.
Efa misy ny kajy ho an’ny saran’ny sazy.
Samihafa ny vola aloa eny amin’ny kaominina sy eny amin’ny Apipa. Misy koa ny vola aloa isan-taona noho ny asa fanotorana natao ho fikojakojana.
Mety hanelingelina ny fikorianan’ny rano ka hiteraka tondradrano ho an’ny lemak’Antananarivo ny fanotorana tany tsy am-piheverena no anton’izany.
Maro ireo kaominina tafiditra ao anatin’ny fiadidian’ny Apipa izay misy lemaka arovana. Anisan’izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny distrikan’Ambohidratrimo sy ireo kaominina manana lemaka midadasika, toy ny ao Ambohitrimanjaka… Eo koa ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano ary Arivonimamo. Efa hatramin’ny taona 2022 no nampitsaharana ny fanotofana tany, rah any fantatra.
Tatiana A




