Ho fantatra tsy ho ela ireo minisitra handrafitra ny governemanta. Maneho ny heviny ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Vital Serge, filohan’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar:
“Olona niaina ny fanatanjahantena nanomboka tamin’ny fahazazana, mahalala izany atao hoe fanatanjahantena izany ary manao izany no mendrika ho minisitra hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Olona mahalala ny rafitra, manana politika sy drafitra ary fahaizana mitantana. Mahafantatra ny fahalalana sy tantaran’ny taranja tsirairay. Afaka hanangana ihany koa ivontoerana isam-paritra. Marihiko fa tsy toerana teknisianina fotsiny ihany ny toerana minisitra fa toerana mpanao politika ihany koa”.
Rabenaivo Alain, filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara :
“Olona niaina tao anatin’ny fanatanjahantena no tokony ho minisitry ny Fanatanjahantena, manana ny fahaiza-manao, mahalala tsara ny marary sy ny olana ao anatiny. Manana vinan’asa azo tanterahina anatin’ny fotoana fohy sy lavitr’ezaka. Tsy be resaka sy mampanantena zavatra tsy ho tanteraka. Mahay mifandray sy miara-miasa amin’ny “mouvement sportif”. Mametraka tsara amin’ny toerana ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Farany izay goavana indrindra, olona afaka mitady loharanom-bola fa tsy hihanona fotsiny amin’ny tetibolam-panjakana”.
Andriambololona Zo Hajanirina, atleta mpikatroka ny taranja judo:
“Ny minisitra tsara ho an’ny Tanora sy ny fanatanjahantena dia olona akaiky ny atleta sy ny federasionina. Olona mahay mihaino, mahafantatra ny zava-misy eny an-kianja ary mahay mitantana krizy amin’ny fahendrena sy fifandanjana. Manana traikefa sy fianarana mifandraika amin’ny fitantanana ara-panatanjahantena sy amin’ny sehatry ny fitantanam-bahoaka, na amin’ny fikambanana, toy ny federasionina na ny komity Olympika nasionaly. Olona manaja ny marina, mangarahara ary manana vina mazava ho an’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena.”
Mi.Raz




