Anciennes Gloires : Nahazo fanampiana avy amin’ny FMF

Notanterahina omaly, tetsy Isoraka, ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpilalao baolina kitra tranainy, nandrafitra ny ekipam-pirenena, nanomboka tany amin’ny Equipe nationale, nandalo tamin’ny Club M sy ny Scorpions ary ny Barea, na ny Anciennes gloires. Nahatratra 44 izy ireo no nisitraka izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra. Nanolotra izany Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF. Notsiahivin’i Abdou Bin Amidou fa manana ny fikambanana mijoro ara-dalàna, tamin’ny 21 desambra lasa teo, ary efa nahazo taratasy fankatoavana amin’ny fanjakana, izy ireo. Me Kira Michel no filoha mpitantana azy. Ireo 44 ireo aloha no nisoratra anarana fa mbola ho avy ny an’ireo hafa. Tsiahivina fa mielipatrana manerana an’i Madagasikara ny Anciennes gloires ary efa misy hatrany ampitan-dranomasina. Ankoatra izay, nanambara Andriamihaingo Joel fa manohana ny federasionina izy ireo amin’ny asa fampandrosoana ny baolina ary manohitra ny fanakorontanana. Nilaza kosa Andriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, fa hatao isan-taona ny fanohanana ny Anciennes gloires.

Tompondaka

Partager sur: