Namoaka ny maharary azy ny mpitsabo fo tamin’ny alalan’ny ranty nataon’ny dokotera Rakotonoel Rolland. Marary io tontolo io eto Madagasikara ary mila fanasitranana haingana. 20 mianadahy ihany ny Malagasy dokotera nianatra manokana sy manam-pahaizana momba izany manerana ny Nosy. Vitsy ihany koa ireo tanora ao anatin’izany satria efa maherin’ny 60 taona ankamaroany amin’izy ireo. Izy ireo no misahana ny fahasalaman’ny fon’ny Malagasy maherin’ny 30 tapitrisa.
Toeran’ny mpitsabo fo 2 isan-taona ihany no tolotra misokatra ho an’ny fifaninanam-pirenena hidirana amin’ny Internat qualifiant izay lalan-tokana hahatongavana ho mpitsabo fo matihanina eto Madagasikara.
Tsizarizary ny fitaovana hitsaboana ny fo sy ny lalandra amin’ireo hopitaly lehibe. “Tsy manana CathLab na toerana sy fitaovana hahafahana mitsabo sy misoroka ny crise cardiaque sy ny fahafatesana tampoka ny eto amin’ny firenena. Ao ireo fitaovana fototra ahafahana mijery amin’ny antsipirihany ny lalandra mamelona ny fo, raha misy tsentsina dia sokafana izay tsentsina ary mahazo aina avy hatrany. Tsy manana fitaovana hanaovana Echo-Doppler cardiaque koa ny sampandraharaha”, hoy ny dokotera Rakotonoel Rolland.
Dokotera manam-pahaizana momba ny fo tokana no misahana ny marary fo amina hopitaly lehibe iray. Dokotera mpanampy azy avokoa no mifarimbona amin’ny fanatanterahana ny asa.
Anisan’ny aretina mamono betsaka ny Malagasy amin’izao fotoana nefa io aretina io. Eo koa ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra noho ny antony maro ary anisan’izany ny adintsaina ateraky ny fahantrana.
Mamono tampoka sy sarotra tsaboina ny aretina, mampitondra takaitra aza raha voavonjy, toy ny fahalemena amin’ny ila iray manontolo, firaiketan’ny lela, fahajambana… Mafy sy lafo vidy ny fanarenana sy ny fitsaboana azy io. Saro-pady ny aretin’ny fo sy ny lalandra ka ilana fanaraha-maso amin’ny manam-pahaizana mihitsy ny fikarakarana azy.
Tatiana A




