Vinavinaina ho voatazona ny tanjaka tempête tropicale moderée, mandritra ny telo andro manaraka, ho an’i Chenge. Hihena miandalana ny heriny rehefa manakaiky ny tapany avaratry ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany ato anatin’ny roa andro ho avy. Satria, tsy manambana mivantana an’i Madagasikara. Hitondra rotsakorana amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy kosa ny rahona miaraka aminy, manomboka ny zoma ho avy izao. Hiharatsy ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka avaratra sy avaratra atsinanana. Hanonja be na hahery ny ranomasina ary ho mafy ny fitsokan’ny rivotra. Misy ny fampitandremana mahakasika izany.
Omaly maraina, tany amin’ ny 1 807 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana no nisy ny foiben’ i Chenge. Manodidina ny 85 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra mahatratra 120 km isan’ora. Hanohy ny diany hiakandrefana somary atsimo andrefana ity rivodoza ity ato anatin’ny dimy andro manaraka.
Vonjy




