Nanainga omaly, hihazo an’i Espagne, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Junior. Fifanintsanana hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, any an-toerana, izany. Araka ny fikarohana natao, handeha amin’ny Youtube avokoa ny lalao hatrehin’izy ireo.
Tonga nanotrona ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025” natokana ho an’ny sokajy lehilahy, tanterahina any Egypte, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Mpilalao manerana an’i Afrika miisa 40 sy mpanazatra 15 no miatrika ity fiofanana ity. Manana solontena amin’izany i Madagasikara, ahitana an’i Jhod sy i Eymerick.
Ekipa 8 lehilahy sy 7 vehivavy no hifaninana mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona hatao eto Antananarivo, ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao. Hifanindry an-dalana amin’izany ihany koa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy “2é division”, ahitana ekipa 12 eo amin’ny sokajy lehilahy ary 8 eo amin’ny vehivavy.
Hisy ny atrikasa eo amin’ny taranja Échecs hotanterahina ny 25 oktobra izao, ao amin’ny Le Louvre Antananarivo, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 6 ora hariva. Hisy ny fampianarana, fampirantiana sy fampahafantarana ireo boky mahakasika ity taranja ity izany ka anasan’ny Federasionina malagasy ireo rehetra liana, indrindra ireo vao hanomboka hitrandraka ny taranja .




