Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Noho ny fisian’ilay rivodoza Chenge ihany koa, tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Mety hahatratra 55 km isan’ora hatramin’ny 80 km isan’ora izany. Nanomboka omaly ka hitohy anio maraina ny eo anelanelan’i Morombe sy Itampolo. Hiitatra any amin’ny tanjona Bobaomby hatrany amin’ny tanjona Angotsy izany ny alina.
Nanao sonia fiaraha-miasa ny Oniversiten’ Antananarivo sy ny Wenzhou University of Technology, tamin’ity herinandro ity. Hiompana amin’ny fampiharana fandaharanasa ahazoan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mivezivezy ny fifanakalozana. Sehatra voalohany hiaraha-miasa ny Génie électrique, fiampitana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina.
Amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao, mila hentitra ny sekoly amin’ny fanaraha-maso ireo mpianatra sy ny manodidina amin’ny varotra zava-mahadomelina. Mila ampahafantarina ny tanora ny zava-doza ateraky ny zava-mahadomelina. Mila faizina mafy ihany koa ireo tratra mivarotra izany.




