Fahombiazana ny fampiofanana nomena ireo teknisianina avy amin’ny Croix Rouge Malagasy (CRM) momba ny fitondrana drônes sy fakana sary ary fanaovana sarintany amin’ny alalan’ny Sig.
Fiaraha-miasa eo amin’ny BNGRC sy ny CRM no nahafahana nanao fampiofanana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizan’ny ekipa ara-teknika amin’ny fampiasana teknolojia vaovao ho amin’ny fitantanana sy fampihenana ny vokatry ny loza.
Nianatra ny fanatanterahana sidina amin’ny alalan’ny drônes ireo teknisianina. Niofana momba ny fakana sy fanodinana sary avy eny ana habakabaka ary ny famokarana sarintany amin’ny alalan’ny angon-drakitra jeografika. Nisy mihitsy ny fampiharana nahafahana nandrefy ny fandraisan’ireo teknisianina ny fifehezany ny fiofanana nomena. Mivoatra manaraka ny teknolojia vaovao ny hodidina rehetra hanatsarana ny vokatra na amin’ny fifehezana ny loza na amin’ny fomba fakana sary. Manampy betsaka amin’ny fahazoana vokatra tsara amin’ny asa ny fampiasana ny teknolojia maoderina.
Nizarana mari-pamaranana avy amin’ny mpampiofana izy ireo ho mariky ny fandraisany anjara amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika.
Tatiana A




