Tsy mitsahatra ny misongadina ny anaran-dRakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô). Taorian’ny zava-bitany nandritra ny “Chan 2024”, nantsoina hanazatra ny ekipa Young Africans, Tanzanie, izy. Amin’izao indray, voafantina ho anisan’ireo hisafidianana izay ho mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika.
Navoakan’ny Kaonfederasionina afrikanina baolina kitra (Caf) tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny lisitr’ireo teknisianina hisafidianana hahazo ny amboaran’ny mpanazatra mendrika indrindra eto Afrika, amin’ity taona 2025 ity na “Coach of the Year – Men 2025”. Anisan’ireo tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Félix (Coach Rôrô). Izy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy nandritra ny “Chan 2024” farany teo.
Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ireo masontsivana, naharesy lahatra ny mpikarakara taminy ny fahombiazany nandritra ny “Chan 2024” ka nahazoany ny laharana faharoa. Tsy tamin’io ihany fa ny taona 2022, nandritra ny Chan natao tany Algerie, tongany teo amin’ny laharana fahatelo ny Barea. Tsiahivina fa efa manazatra ny Young Africans SC, Tanzanie, izy ankehitriny. Mpanazatra efa manana ny lazany avokoa ireo anaty lisitra. Ahitana an’i Mohamed Ouahbi, mpanazatran’i Maroc sokajy zandriny, nandrombaka ny “Mondial U20” farany teo. Ao koa i Tarik Sektioui, teknisianina nitondra ny ekipany hahazo ny “Chan 2024”.
Fitia Randria
Ireto avy ireo mpanazatra tafiditra ao amin’ny lisitra vonjimaika:
Bubista (Cap Vert), Hossam Hassan (Egypte), Krunoslav Jurčić (Pyramids FC Egypte), Sami Trabelsi (Tunisie), Rakotondrabe Romuald Félix (Madagasikara), Moïne Chaâbani (RS Berkane Maroc), Tarik Sektioui (Maroc Chan), Mohamed Ouahbi (Maroc U20), Walid Regragui (Maroc A), Pape Thiaw (Senegal A)




