SOMBIM-BAOVAO

Hanamarika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, ny fiverenan’ny ekipan’ny Stef’Auto volley-ball avy any Toamasina eo ambony Kianja. Hifaninana eo amin’ny sokajy vehivavy ity ekipa ity, rehefa tsy niatrika izany nandritra ny fotoana ela. Misy ihany ireo klioba vaovao, toy ny HMVB Matsiatra Ambony sy ny GSVB Atsimo Andrefana.

Mitohy hatrany ny fifidianana eny anivon’ny seksionina, taranja basikety, manerana ny Nosy, ao anatin’izao taom-pifidianana izao. Seksionina 9 indray no nahavita izany nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina fa tokony hahavita fifidianana ny anivon’ny ligy amin’ity taona ity ary ny volana janoary 2026 no vinavinaina hanatanterahana ny eo anivon’ny federasionina.

Hotanterahina any Luanda, ny 10 hatramin’ny 20 desambra izao, ny lalao afrikanina ho an’ny tanora. Mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, hatreto. Tsy mbola manana vaovao ho lazaina mahakasika izany ireo tomponandraikitra. Tsiahivina, Malagasy atleta 22 no tokony handray anjara amin’ity fifaninanana ity, ahitana ny taranja fibatana fonjamby, baolina kitra, atletisma, basikety, karate ary mety hisy koa ny Judo.

Partager sur: