INDRAY MIJERY

Mikarakara varavarana misokatra, ny 29, 30 ary 31 oktobra izao ny fitaleavam-paritry ny Fahasa­la­mam-bahoaka Atsimo Atsinanana (DRSP) sy ny CHRR Farafangana. Tolotra ara-pahasalamana maimaim­poana no hatao amin’izany. Mitondra karine rehefa mankany ary manaja tsara ny fandaminana.

Fanararaotra ny hetsika ara-pahasalamana ataon’ny fanjakana ka tsy tokony havela andalo fotsiny, indrindra ho an’ireo manana aretina mitaiza. Na mijery tosidra sy mizaha ny tahan’ny siramamy anaty ra ihany aza. Ireo mikohoka maharitra koa tokony hanararaotra manao fitiliana tiberkilaozy.

Omaly maraina, tany amn’ny 1 117 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza Chenge. Nihena ny heriny ka niverina amin’ny sokajy Tempête tropicale moderée izy, nanomboka omaly alina. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra mahatratra 105 Km/ora. Nikisaka niakandrefana izy tato anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 18 Km/ora.

Partager sur: