Tsy mitovy fomba fijery amin’ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM) ireo mpitantana klioba ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Tsy manaiky ny lalàm-pifidianana manome vahana ny FSBM izy ireo ka mitaky ny hanovana izany, hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara.
Namory ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly, ireo filohana klioba amin’ny tsipy kanetibe miisa 20 ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Nanambara ny tsy fetezan’ny lalàm-pifidianana hatao ny volana desambra ho avy izao izy ireo. Niakatra ny feo ary tsy nitsitsitsitsy fitenenana mihitsy izay nitondra teny tamin’izany. Namotsipotsitra ny tsy nety izy ireo.
Nambaran-dRatsimbaharison Luc, mpitantana ny klioba UBM Ambohitrimanjaka, fa nataon’ny mpitantana ny federasionina ankehitriny amin’ izay maha mety azy ny lalam-pifidianana, tsy mifanaraka amin’ny lalàna misy. Sakanana amin’ny fomba rehetra ny mpifanandrina ary ahilika ny olona heverina fa afaka hifaninana amin’ny filoha ankehitriny. Ankoatra izay, ny fametrahana olona ao anatin’ny mpanara-maso ny fifidianana, izay olona ao anaty FSBM ihany. Noho izany, takin’izy ireo ny hanoloana azy ary hanaovana fivoriambe iarahana mamolavola ny lalàm-pifidianana. Nohamafisin’ny filoha Ramirez fa handefa taratasy fampahafantarana any amin’ ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity olympika malagasy (Com) ireto filohana klioba 20 ireto. Miantso ihany koa ireo mpitantana ekipa any amin’ny faritra manerana ny Nosy izy ireo hanatevin-daharana. Miandry ny valin-tenin’ireo tomponandraikitra izy ireo mialoha ny hidirana amin’ny dingana hafa raha toa ka miziriziry amin’ny heviny ny FSBM. Marihina fa manaiky ny daty hanaovana ny fifidianana izy ireo, ny 6 desambra ho an’ny ligy ary 27 desambra ny an’ny federasionina.
Tsy nanafina koa ny tenany tamin’ny fampanantenana poakaty nataon’ny filohan’ny Federasionina ny amin’ireo ekipa mahazo ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara.
Tompondaka




