Tontosa tany Wuxi, Chine, omaly, ny fivoriamben’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny Tae-kwon-do WT. Fotoana nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ity rafitra voalohany maneran-tany ity. Voafidy hitondra izany mandritra ny efa-taona indray i Choue Chung-Won, 78 taona. Taom-piasana fahafito ho azy izany. Kandidà tsy nisy mpifanandrina izy tamin’ity. Nahazo vato 143 izy raha 5 no nitsipaka ary 1 tsy nilaza ny heviny. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ ity fivoriambe ity ny filohan’ny Federasionina malagasy, i Boto Lamina Tsara Dia, saingy noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia tsy afaka ny ho tonga any an-toerana ny tenany fa nanao izany tamin’ny ampitain-davitra. Nankatoavin’ny rehetra izany ary anisan’ireo nandatsa-bato ny tenany. Tsiahivina fa efa neken’ny Federasionina iraisam-pirenena ny fitsanganan’ny Federasionina malagasy. Efa nahazo taratasy fahazoan-dalana hiasa avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ihany koa izy. Araka izany, hanomboka ny asa sy ireo fifaninanana isan-tokony ary ny fanofanana an’ireo komity mpitantana.
Tompondaka




