SOMBIM-BAOVAO

Hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, anio amin’ny
10 ora maraina, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny COSPN Analamanga. Ity fifanandrinana ity izay tafiditra amin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny ho tom­pondakan’i Madagasikara PFL sy ny Diviziona faharoa nasionaly.

Araka ny fikarohana natao, nanavao ny fifanarahana miaraka amin’ny Inter Miami indray i Lionel Messi, argentin mpilalao baolina kitra. Raha ny vaovao hita, hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola hilalao amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026 i Messi.

Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Real Madrid Espagne amin’ny fifaninanana eoropeanina, « Ligue des Champions 2025 ». Nahita fandresena 1 no ho 0 teo anatrehan’ny Juventus Turin, Italie, ry zareo omaly. Ankoatra izay, mbola mitana ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity ny ekipa frantsay tompondaka farany, Paris Saint Germain FC.

Partager sur: