Manahy ny amin’ny tsy hitohizan’ny asa fampisitrahana vaksiny ny zaza malagasy ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena Hina sy ny tambajotran’ny tanora Nosy W, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevim-pitantanany, Faniry Hantarinivo, omaly. Mbola miankina betsaka amin’ny mpiray ombon’antoka ny vola ampiasaina amin’izany. Misy ny asa efa nataony, nanao tantsoroka nahafahana namaly ny filana fototra amin’ny fanaovam-baksiny. Ohatra ny famolavolana ny didy fampiharana ny lalàna 2016-058 mifehy ny vaksiny, ahazoana mametraka ny Fonds national pour la vaccination. Nisy koa ny atrikasa fandrindrana ny asan’ny vaksiny tany amin’ny faritra sy ny fampandraisaan andraikitra ireo mpanapa-kevitra eny ifotony.
Mirary ny hitohizan’ny ezaka vita sy ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fisitrahana izany sy ny fahasalamana ny Vovonana na inona na inona mety ho endriky ny fitantanana ny firenena. Ilaina ny fanazavan’ny tomponandraiki-panjakana amin’ny fanapahan-keviny manoloana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka sy ny laharam-pahamehana ampiasana ny vola avy amin’izy ireo. Ankasitrahina ny filazan’ny filoham-panjakana fa ho laharam-pahamehana ny fahasalamana sy ny sosialy mandritra ny fitantanany. Misy teboka tokony hojerena, indrindra ny antoka amin’ny fitohizan’ny asa fampisitrahana vaksiny sy ny fandoavana ny 20% anjaran’ny fanjakana, izay tokony ho hita taratra ao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2026.
Nanatontosa : Vonjy




