Nifarana omaly ny herinandro manokana ho an’ny fitarainana sy fihainoana ny rehetra momba ny fananan-tany, tetsy Anosy. « Tanjona ny hanokafana sehatra mivantana ho an’ny olom-pirenena ka ahafahan’izy ireo mitondra ny fitarainany sy manazava ny olana atrehiny.
Misongadina manokana tamin’izany ny fanadihadiana sy ny famahana haingana ireo olana ateraky ny boky rovitra ka iandreketan’ireo teknisianina ny fanatanterahana izany », hoy ny eo anivon’ny Fitaleavana misahana ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany (DGSF).
Tafiditra amin’ny fanatsarana hatrany ny tolotra sy ny fomba fiasa eo anivon’ity sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ity izany. Anisan’ny natao tamin’izany ny fifampizarana traikefa sy ny fanehoana ny tsy mety ary ny fanehoan-kevitra malalaka. « Hitarika ny fanovana ho amin’ny fanorenana rafitry ny fananan-tany mangarahara, marina, ary manakaiky ny olom-pirenena izany », hoy ny eo anivon’ny DGSF.
Synèse R.




