Cosafa, sokajy vehivavy : Handray anjara ny Barea Ladies

Anisan’ireo firenena hifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa 2025) ny Barea Ladies. Fifaninanana izay nahemotra ho amin’ny fiandohan’ny taona 2026, raha tanterahina isaky ny volana novambra izy ity, saingy noho ny tsy fahafahan’ireo firenena hampiantrano ny anton’ny fanemorana.
Mbola eo am-piresahana amin’ireo firenena afaka handray ity fifaninanana ity amin’izao fotoana izao ny tomponandraikitra eo anivon’ny Cosafa ka ho fantatra miandalana ny toerana sy ny daty hanaovana ny lalao. Manana fotoana malalaka, araka izany, ny federasionina isanisany, indrindra ho an’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanatontosana fampivondronana matotra sy fifantenana ireo mpilalao. Mba tsy olona hitsangantsangana fotsiny no mameno ny lisitra ao anaty ekipam-pirenena. Tsiahivina fa efa nandray anjara ny Barea Ladies ny taona 2023 ka nitana ny rambony tao amin’ny vondrona nisy azy rehefa resy intelo.

Tompondaka

Partager sur: