Mpanazatra Corentin Martins : Baraingo ny fitohizan’ny asa

Hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena Barean’i Ma­da­gasikara. Nilaza ny eo anivon’ny federasionina fa mbola hiankina amin’ny fitondram-panjakana ny mety hanavaozana ny fifanarahana na tsia.
Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no miandraikitra ny fandoavana ny ampahan’ny karaman’ity mpanazatra ity. Nambaran’ny rafitra federaly fa nahafa-po ny ezaka vitan’i Corentin Martins ho an’ny baolina kitra malagasy. Raha tany amin’ny faha-112 ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha, efa any amin’ny faha-106 ankehitriny.
Tsy tonga tamin’ny tanjona

Na dia tsara aza ny vokatra azon’i Corentin Martins, tsy nahatratra ny tanjona izay nodradraina mafy tetsy Maha­masina nandritra ny fanolorana azy izy. Vina napetraka tamin’ny fahatongavan’ity fran­tsay teknisianina ity ny hoe hiatrika ny « Mondial 2026 », saingy tsy tonga tamin’izany. Nijanona teo amin’ny laharana faharoa, vondrona « I », moa ny ekipam-pirenena malagasy.
Andrasana ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa raha mbola hanazatra ny Barea any amin’ny fifanintsanana “Can” i Corentin Martins na tsia.

Fitia Randria

Partager sur: