Vaky ny ady eo amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo Barea zokiny, Faneva Ima, Bolida, Abel Anicet, Voavy Paulin. Fe-potoana telo andro no omen’izy ireo ny rafitra federaly hanomezana ny ambin’ny vola.
Nanao fanambarana mivantana tao amin’ny pejy facebook omaly, ireo mpilalao zokiny nandrafitra ny Barea, toa an-dry Faneva Ima, Bolida, Abel Anicet ary i Voavy Paulin. Voaresaka nandritra io ny tontolon’ny baolina kitra fa indrindra ny resaka “Prize money”. Raha ny filazan’izy ireo, tsy mbola ampy ny vola nomen’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) an’ireo Malagasy mpilalao zandriny ireo, ka manome 72 ora an’ireo mpitantana ry zareo mba hameno ny tsy ampy amin’io resaka io.
“Tsy miditra amin’ny resaka trosa sy ny fomba fitantanana ny federasionina izahay efatra mirahalahy fa ny fantatray, 720 000 dolara ny anjaran’ny mpilalao. Ary raha atao ny kajikajy tsotsotra, vola mitentina, 73,5 tapitrisa Ariary ny tokony ho anjaran’ny mpilalao tsirairay”, hoy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha.
Milaza ireto kalazan’ny Barea fahiny ireto fa vonona hatrany izy ireo ny hiaro ireo mpilalao avy eto an-toerana. “Tsy maniry fanakorontanana izahay fa mangataka amin’ireo mpitantana mba handoa io vola ho an’ny zandrikely io.” Io ny nambaran’i Abel Anicet, kapitenin’ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha.
Nomarihin’i Voavy Paulin fa tsy milamina araka ny filazan’i Dax, ny resaka fa mbola misy ireo mpilalao zandrin’izy ireo mitaraina anaty hafatra miafina.

“Aoka izay ny tsindrihazolena!”
Nanao ampamoaka ihany koa i Bolida, nandritra ny fe-potoana niasany tao amin’ny Federasionina. “Nametra-pialana aho, ny volana jona 2023, satria tsy mitovy ny fomba fijery. Rehefa miteny ve aho hoe aza atao anaty lisitra ity mpilalao ity fa tsy mbola nahazoana alalana, dia diso ve aho ?” Hoy i Bolida.
Raha ny fitantarany ihany, tsy nety hilalao nandritra ny lalao ara-pirahalahiana izay natao tao Mahamasina, ny Barea, noho ny resaka “Prime” tsy voaloa sy ny fampanantenana tsy tanteraka.
Tsy mitovy ny “Prime” ny mpilalao avy eto an-toerana sy ny any ivelany
Nambaran’i Anicet fa efa maro ny vaovao voarain’izy ireo mahakasika ny Barea A.
“Mitaraina ny mpilalao avy eto an-toerana fa tsy mitovy ny vola raisin’ny mpilaravinahitra sy ny avy eto an-toerana. Mangataka aho mba aza atao tsinontsinona ny Malagasy. Tamin’ny andronay, niady mihitsy izahay mba hampitovy ny vola raisin’izay nandrafitra ny Barea rehetra.” Io ny tenin’i Anicet Abel.
Efa nilamina
Misafotofoto ihany ny raharaha mahakasika ity “Prize money” Barea Chan ity. Ny alakamisy teo, tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanao fanambarana mahakasika ity resaka ity ireo solontenan’ny Barea Chan, izay nahitana an’i Dax, Toldo, Coach Rôrô. Nilaza mihitsy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena, i Dax, fa tokony hatsahatra io resaka io fa efa nisy ny fifandaminana teo amin’izy ireo sy ny lehiben’ny Federasionina.
Tsara ny mampahatsiahy fa nanaisoran’ny Caf ny vidin’ny lalaon’ny fifanintsanana Can 2023 sy ny saran’ny baolina Puma ary ny lamandy nandritra ny Chan 2024 teo ny “Prime Barea”, nilatsaka ho 1,1 dolara sisa ny vola noraisin’ny Federasionina raha toa ka 1,2 tapitrisa dolara ny azon’izy ireo teo am-piandohana. Inoana sy antenaina fa handray andraikitra ny Federasionina mahakasika ity raharaha ity.
F.R




