Toy ny sangodim-panina mihitsy amin’izao fotoana, ny manaraka ny tantaran’ilay volaben’ny mpilalao Barea Chan. Milamina, tsy milamina. Tsy fantatra intsony izay marina amin’izy ity. Mifanipaka toa valala an-karona ireo mpilalao. Samy manana ny filazany ry zalahy. Ao ireo manambara fa efa milamina ny amin’iny ka aleo tsy asiana resabe intsony. Ny hafa indray milaza fa tsy mety ny fanabangana ny volan’izy ireo ka mitaky izany. Aza fatra-pandefitra toa mpivaro tantely ka ny tompony indray no milela-tanana. Mampieritreritra ny fahitana ireo filazana maroloko, anaty tambanjotra serasera. Anaran-tany tokoa Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana. Ny hevitra tokoa tsy azo tsy amin’olombelona ka tsy aleo ve mifanantona dia miresaka. Ny vola manko Ramangakatsahina,fa ny aina Ramangatahiana. Koa aza dia fatra-pandefitra toa mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana.
Misy mandeha irery ve ireo mpilalao ka tsy miady afa-tsy ho an’ny tenany. Mangina sy miezaka hampangiana ireo naira-nitsemboka sy nijaly teny ambony kianja. Ny mitabe rahateo tsy lanin’ny mamba ary izay be no basy, ny vy tsy lanin’ny vitsika.
Etsy an-kilany, manao be fiavy ireo mpilalao fahiny nandrafitra ny Barea, mipetraka any ivelany. Tsy manaiky fa vonona hanohana ireo zandrikeliny ary hanao ampamoaka. Tsy voasasa ao an-trano intsony izany ny lamba maloton’ny baolina kitra.
Tsy afenina fa misy ireo efa zatra manao toy ny kitapo tama-misy vola ka raha mikorintsam-poana menatra. Koa aza fatra-pandefitra toa mpivaro-tantely ka ny tompony indray no milela-tanana.
Tompondaka




