Taranja bisikileta : Nanjaka tamin’ny lalaon’ny RN1 i Houlder Mohamed

Notontosaina omaly, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny fifaninanana taranja bisikileta, RN1 milalao. Mbola nisongadina tamin’ity indray i Mohamed Houlder, solonte­nan’i Madagasikara any amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sady milalao ao amin’ny klioba COSPN.
Araka ny fanazavana azo, nataony hanomanana sy hiatrehana ny fifaninanana afrikanina ny lalao tahaka itony ary misaotra an’ireo rehetra nandray anjara ny tenany. Raha tsy misy ny fiovana, mety handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga ny tovolahy.
Ny 19 hatramin’ny 23 no­vambra ho avy io, any Kenya no hiatrika fifanandrinana afrikanina amin’ny hazakazaka am-bisikileta i Houlder. Ha­tramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola nahazo fanasana ny Federasionina misahana ny taranja nefa efa nampanantena ny lehiben’ny Fede­rasionina afrikanina CAC fa hanome tapakila iray ho an’ity Malagasy mpilalao ity, noho ny fahitany ny zava-misy eto Madagasikara. Ny hirariana moa dia ny handraisan’i Houlder anjara amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity.

Fitia Randria

Partager sur: