« Artivisme 2025 » -Nifik’Akanga: Adisisika miaraka amin’ny mpanakanto hiadina amin’ny herisetra

Manohana ny Nifin’Akanga amin’ny fampiroboroboana ny zo ara-pananahana sy ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny Amplify Change. Araka ny fanadihadiana natao ny taona 2020, nahatratra 4% tamin’ny vehivavy nohadihadiana no nilaza fa niharan’ny herisetra. Fomba iray azo ampiasaina ny zavakanto hivoizana hafatra fanentanana hiadiana amin’izany.

Naseho tao amin’ny Cité des cultures Antanina­renina, ny faran’ny herinandro teo, ny «Artivisme 2025» nokarakarain’ny hetsika Nifin’Akanga izay tafiditra amin’ny adisisika hiadiana amin’ny fanolanana ataon’ny olom-pady sy ny ady amin’ny fanolanana sy ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Anisan’ny fomba iray azo ampiasaina hanaovana adisisika ny zavakanto, hitondrana feo amin’ny tolona, hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Tsila Njariniaina.
Nalefa nandritra ny seho koa ny horonantsarimihetsika fohy mitondra ny lohateny «Tantarako Mbôty» nalaina avy amin’ny trangana fanolanana niseho tamin’ny vehivavy 71 tao amin’ny faritra Sava. Novokarin’ny ekipan’ny ma­soivohon’ny Nifin’akanga ao Antalaha ny tantara hatao fitaovana hanentanana sy hampahafantarana ny zava-misy mianjady amin’ny vehivavy any avaratra. Heverina ho toy ny zavatra ny vatan’ny vehivavy ka afaka mampiasa azy avokoa ny rehetra. Izay ilay kolontsain’ny fanolanana mila hovana, hoy ny mpanorina ny hetsika Nifin’Akanga, Kemba Ranavela, omaly.
Nisongadina koa ny dihy sy teatra ary hira nitondrana hafatra, fotoana maneho fa fotoana izao hiresahana ny ady amin’ny herisetra fa tsy tokony ho menatra intsony ireo niharany. “Oka eky zay
ny kanto” natolotry ny feon’ Antsignanagna miarakaamin’ny mpihira sy ny mpandihy, araka ny fanazavan’ny mpanakanto Makwa Joma. Efa nandray anjara tamin’ny tetikasa Farimbona ny taona 2024 koa izy, mitondra ny talentany amin’ny tolona iombonana ary miara-miasa
amin’ny Nifin’Akanga hatrany. Nandravaka ny dihy sy ny teatra ny hira “Je t’accuse” noforonin’i Suzanne, mivoy ny fahafahana miteny sy ny fanehoana fahatezerana manoloana ny fanomezan-danja ny raim-pianakaviana sy ny lehilahy ao anatin’ny fiarahamonina malagasy.

Vonjy

Partager sur: