Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahazoana vatsim-pianarana any ivelany. Miisa 23 ny mpianatra ao
amin’ny sekoly tiorka Maarif eny Talatamaty hisitraka izany amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra 6 no hahazo ny vatsim-pianarana YTB, omen’ny fanjakana tiorka, ary 17 hafa omen’ny sekoly Maarif. Hanainga eto Madagasikara rahampitso izy ireo. Manome fahafahana ho an’ny mpianatra hanohy fianarana maimaimpoana any amin’ireo oniversite any Torkia ny vatsim-pianarana Maarif. Tafiditra ao anatin’ny vatsim-pianarana ny saran-dalana sy ny saram-pianarana fa ny trano fonenana sy ny vola fanampiny no tsy tafiditra ao. Atolotry ny fanjakana Tiorka kosa ny vatsim-pianarana YTB, amin’ny alalan’ny fifantenana iraisam-pirenena. Mahazo tapakila fiaramanidina, trano fonenana, volakely isam-bolana, fianarana teny Tiorka ary fianarana any amin’ny Oniversite 140 mahery izy ireo. Mihoatra ny 100 isan-taona ny Malagasy misitraka izany. Vatsim-pianarana Magis Hho an’ny ivelan’ny sekoly iraisam-pirenena Maarif, ny sekoly no mikarakara ny antontan-taratasy fisoratana anarana. Afaka manao izany anaty tranokala Google Bourse YTB kosa ny mpianatra. Sekolim-panjakana Tiorka voalohany eto Madagasikara ny Maarif eny Talatamaty. Mampifandray ny fanabeazana malagasy sy frantsay. Misy koa ny vatsim-pianarana Magis ho an’ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana. Mianatra maimaimpoana ao amin’ny sekoly Maarif, amin’ny alalan’ny fifaninanana ary afaka manohy any ivelany. Andiany telo ny efa nahazo ny vatsim-pianarana Maarif sy YTB, nanomboka ny taona 2023.
Njaka A.




