INDRAY MIJERY

Tontosa tao Marseille, Frantsa, ny 16 hatramin’ny 18 oktobra lasa teo, ny fifaninanana «WorldSkills France 2025». Nandray anjara tamin’izany i Mada­gasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa Formapro BTP izay ifantohan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ary tohanan’ny AFD sy ny CNEF BTP. Tanora efatra no nisolo tena ny firenena malagasy ary nahazo medaly alimo avokoa izy ireo noho ny asa vitany teo amin’ny sehatry ny Hosodoko sy haingon-trano nataon-dRazanamana­nanjato Jean de la Croix, asa fanorenana vitan-dRakotoarivony Herimanana, fanamafisam-panaovana nataon’i Ely Romain ary ny fametrahana herinaratra vitan’i Heriniaina Nirilanto Olivier.

Hetsika iraisam-pirenena atao isan-taona ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra iombonana eo amin’ny olom-pirenena sy ny fikambanana ny «Fest’Itasy» hotanterahina ny 14 sy 15 novambra ho avy izao. Tanjona ny hanentanana ny rehetra hiroso amin’ny fihetsika mitondra fanovana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana, mifanaraka amin’ireo tanjon’ny Fampandrosoana lovain-jafy (ODD). Mandritra ny hetsika, hisy ireo atrikasa, adihevitra, fampirantiana, ary seho ara-kolontsaina isan-karazany, tanterahina matetika amin’ny volana novambra, any amin’ny tanàna sy firenena maro maneran-tany.

Partager sur: