Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany.
Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa tonga amin’ny vanim-potoanany. Voalohany, manan-karena otrikaina ny manga. Misy ao aminy ny vitamina A, izay tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny maso. Ao koa ny vitamina C izay manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Misy ihany koa ny « antioxydants » maro toy ny « bêta-carotène » izay manampy amin’ny fiarovana ny sela amin’ny fahanterana aloha loatra sy ny aretina. Rehefa mihinana manga tsy tapaka ny olona dia manampy amin’ny fisorohana aretina maro toy ny gripa, sery, ary manatsara ny hoditra sy ny volo. Faharoa, ny manga dia manampy amin’ny fandevonan-kanina. Misy “enzymes” manokana ao aminy izay manampy amin’ny fanapotehana ny sakafo ao anaty tsinay ka manamora ny fandevonan-kanina sy manala ny fivontosana na ny aretin-kibo ateraky ny sakafo mafy. Izany no mahatonga azy ho voankazo tsara hohanina rehefa avy misakafo. Fahatelo, manampy amin’ny fanadiovana ny vatana izy. Mampandeha tsara ny rafi-pisefoana sy ny lalan-dra satria misy fibre sy rano be ao anatiny. Rehefa mihinana manga tsy tapaka ianao dia manampy amin’ny fanesorana loto sy poizina amin’ny vatana izany ka manampy amin’ny fikojakojana lanja ara-dalàna sy ny fahasalaman’ny aty.
Amin’ny lafiny hafa, tsy voatery hohanina ho voankazo vaovao ihany ny manga.
Azo atao ranom-boankazo, mofo na confiture ary amin’ny toerana sasany aza dia ampiasaina amin’ny sakafo matsiro toy ny lasary sy saosy ny manga. Midika izany fa manana fampiasana maro ny manga, ary mahasoa amin’ny lafiny ara-toekarena, satria azo amidy amin’ny endriny maro samihafa.
Toekarena ambanivohitra
Tsy tokony hadinoina koa ny anjara toeran’ny manga amin’ny toekarena ambanivohitra. Maro amin’ireo tantsaha no miankina amin’ny fambolena manga ho loharanom-bola. Rehefa tonga ny fotoam-pamokarana, manampy amin’ny fidiram-bola sy fampandrosoana ny tokantrano izany.
Eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany, ny vokatra manga dia mety hoentina manondrana any ivelany ka manampy amin’ny fampidiram-bola ho an’ny firenena. Farany, ny manga dia tsy voankazo fotsiny fa fampahatsiahivana ny fahasalaman’ny natiora sy ny hasarobidin’ny fambolena maharitra.
Amin’ny fihinanana voankazo toy ny manga kosa dia mampitombo ny fahazarana ara-pahasalamana sy manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany, satria voankazo tsy mitaky fanafody simika be dia be izy raha ambolena araka ny tokony ho izy. Raha fintinina, ny manga dia manan-danja amin’ny lafiny fahasalamana, sakafo, toekarena ary fikarakarana ny tontolo iainana.

Tsy tsara hanina be loatra ny manga
Tsara ny mampiroborobo ny fambolena sy ny fihinanana azy eto Madagasikara. Satria raha mihinana manga isan’andro isika dia tsy vitan’ny hoe mihinana matsiro fa miaro ny fahasalamantsika sy manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa.
Na dia maro aza ny soa azo avy amin’ny voankazo, toy ny fanomezany otrikaina sy ny fanatsarana ny fahasalamana, manana voka-dratsy haterany ihany koa izany rehefa mihinana tafahoatra loatra na amin’ilay fotoana tsy mahamety azy. Ny fihinanana manga be loatra dia mety hiteraka fivontosana na aretin-kibo. Ny manga manta na tsy masaka tsara dia mety hiteraka fanaintainanny kibo sy fivalanana.
Raha mihinana be loatra ihany koa ahina hampiakatra ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ra, ka tsy tsara ho an’ny olona voan’ny diabeta.
Nanatontosa : Fitia Randria




