Nidina teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra, eny Ambondrona, ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, notronin’ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo. Nijery vahaolana hamahana ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro izy ireo.
Natomboka tamin’ny fametahana « lampadaire solaire extérieur » izany fidinana ifotony natao izany.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ergothérapie omaly. Dingana lehibe io ho an’ny fanitarana sy fanamafisana ny sehatry ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana eto amintsika, araka ny fanazavan’ny Association Psy-kôzy, izay misehatra ho an’ny fahasalaman’ny saina. Ny Ergothérapie dia andraikitra manan-danja amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny fiainan’ny olona, indrindra amin’ny fanampiana azy ho tafaverina amin’ny asa aman’andraikiny andavanandro. Fampandrosoana tena ilaina amin’ny asa sy ny tanjona ijoroan’ny fikambanana izany.
Vidina amin’ny kilao avokoa ny ankamaroan’ny legioma amin’izao fotoana izao, eny amin’ny tsenam-pokontany. Ny haricot vert no tena niaka-bidy, satria 6 000 Ar ny 1 kg. Mahatratra 5 000 Ar ny vidin’ny saosety 1 kg satria tsy mbola tonga ny orana ka mahalana vao misy vokatra amidy. 3 000 Ar ny tongolobe, 3 200 Ar ny karaoty iray kilao.




